<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>531</hymn_number>
<title>Ry Jeso Loharanon'aina FFPM531</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso loharanon'aina,
 Izay foto-pitiavana !
 Ny fonay toy ny tany maina
 Fenoy fitiavana !
 Aidino ao ny tena aina
 Mba hampifankatia anay,
 Fandrao ho tonga very maina
 Ny fitiavanao anay.

[V2]
 Ny hasomparana levony,
 Soloy fitiavana ;
 Ny lolompo ampijanony
 Ovay ho fihavanana ;
 Ny fo malaky mankahala
 Ataovy tia namana ;
 Ampianaro hahalala
 Ny didim-pitiavana.

[V3]
 Toroy sy ampahafantaro
 Ny fitiavanao izahay ;
 Mpiandry tsara ô, velaro
 Ny fonao mba ho hitanay ;
 Mba ho tarafiny tokoa
 Ny fonay mbola maizina,
 Ka samy hifanisy soa
 Sy hifamela heloka.</lyrics>
<author>L. Bourgeous</author>
</song>